|
|
|
|

Teny iditra1 Eritreritra fahavaratra
Singan-teny  2eritreritra, 3faha~, 4varatra
Sokajin-teny  5 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  6 Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  7Rabearivelo Jean-Joseph
Lahatsiratra manontolo  8 Mijononoka moramora ny orana avy hariva,
9 Ny alina madiva,
10 Hamonto an-torimaso ny lanitra sy tany,
11 Ka hitondra any ho any...
12 Any ho any, nefa aiza? Aiza ho aiza ry Fanahy
13 Toa reraka, manahy?
14 Aiza ho aiza no hampita izato nofinofinao
15 Izay mameno, no injao
16 Mihodinkodina ao am-po, mihodinkodina ao an-tsaina
17 Toa rano nafanaina?
18 Mitsilopilopy mora, toa mangovitra sy ory
19 Ny jiroko. Matory
20 Izay rehetra manoloana ny masoko mahery.
21 Aiza ho aiza no miery,
22 Ry Fanahy, ilay nofinofy izay namonto antsika teo?
23 Avia mamoaka feo,
24 Ka lazao am-bitsibitsika ao am-poko kely ao
25 Izay tena teninao,
26 Dia ho fantatro avokoa izay rehetra afenina ahy...
27 Mitenena, ry Fanahy.
28 Ny jiroko efa maty, ny orana efa lany;
29 Mangina koa ny tany,
30 Ka hatrao anatiko ao. Tsy misy reko intsony,
31 Tsy misy tsy mba tony...
32 Kanefa re, kanefa toa mbola be dia be
33 Ny fitiavako handre
34 Izay tena dinanao, ry vintana tsy fantatra!
35 Tsy mbola tena sambatra,
36 Sady feno tebiteby ny nofo sy ny saina
37 Ka he! mitaintaina!
38 Nihanalemy moramora ilay orana avy hariva.
39 Ny andro dia madiva
40 Hamoha ny torimason'ny lanitra sy tany
41 Ka hamerina avy any...
42 Avy any, nefa avy aiza? Avy aiza ry Fanahy
43 Toa trotraka, manahy?
44 Avy aiza no nampita ilay mba nofinofinao
45 Izay namonto, no injao
46 Mihamalefaka ao am-po, mihamalefaka ao an-tsaina,
47 Toa rano nafanaina?

Nohavaozina tamin' ny 2025/10/11